<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>255</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ny ran'ny Zanakondry latsaka
 Namelona ahy tany Golgota,
 Ka io no tena vatofantsika
 Maharitra ny tafio-drivotra.

[V2]
 Raha voaratra noho ny otako,
 Ka lany foana ny heriko,
 Ny rany masina nalatsaka
 No nahitako fahasitranana.

[V3]
 Izao hira vao izao no mamiko,
 Ka tonga tsy misaraka amiko
 Ny ran'ny Zanakondry no
 mahay
 Manavotra ahy mba ho an'ny
 Ray.

[V4]
 Raha ketraka sy kivy re ny fo,
 Velomiko indray ny hirako
 Ny amin'ny Jesosy sy ny rà
 Ka afaka erý ny tahotra.</lyrics>
<title>Ny ran'ny Zanakondry latsaka FFPM255</title>
</song>